Garth Cripps, mpaka sary mpanao gazety mahaleo tena sady talen'ny sarimihetsika fohy Kokoly , dia nanoratra ho an'ny gazetiboky Oceanographic.
Cripps dia manoritsoritra ny fanamby isan'andro atrehin'ny vondrom-piarahamonina mpanjono madinika eran-tany, ary ny anjara asa goavana ataon'ny vehivavy mpanjono nefa tsy fantatra.
Avy eo izy dia nitantara ny diany tany atsimo andrefan'i Madagasikara niaraka tamin'i Paul Antion, mpitantana ny Blue Ventures.
Nandritra ny herinandro vitsivitsy izahay sy Paul dia nandeha nanaraka ny morontsiraka atsimo andrefana – tanin'ny mpanjono Vezo nentim-paharazana eto Madagasikara – nihaona sy niresaka tamin'ireo mpanjono Vezo fotsiny. Nifanena tamina olona sy tantara matanjaka maro izahay, anisan'izany ny vehivavy iray izay nilaza hoe: “Efa manana fiompiana ahidrano aho izao, tsy mila vady intsony”, fa olona iray no nisongadina: vehivavy mpanjono horita kely avy any Lamboara. Kokoly.
Vakio ny fitantarana feno nataon'i Cripps momba ny fahafantarana ny olona ao ambadiky ny sarimihetsika ao amin'ny Kokoly: fanjonoana ho an'ny hoavy
Jereo ny sarimihetsika feno ao amin'ny kokolyfilm.com





