Nandeha tany amin'ny nosy Kaledupa ireo mpandray anjara manerana an'i Indonezia tamin'ny volana lasa teo mba hiresaka momba ny fomba fiasa tarihin'ny vondrom-piarahamonina hanatsarana ny faharetan'ny jono horita.
Ity forum ho an'ny mpanjono ity, izay nampiantranoin'ny fikambanana eo an-toerana Forkani, dia nitondra mpanjono sy vehivavy, lehiben'ny fokontany, solontenan'ny fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina ary fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana tany amin'ny vondronosy Wakatobi lavitra any atsimo atsinanan'i Sulawesi mba hizara traikefa, fanamby ary paikady amin'ny fitantanana ny jono horita.
Miaraka amin'ny solontena avy amin'ireo vondrom-piarahamonina ao Papouasie Biak, Minahasa Avaratra, Manado, Banggai, Makassar, Jakarta, Denpasar ary ireo nosy Wakatobi efatra, dia nizara ny fahatakarana iraisan'ny mpandray anjara rehetra ny maha-zava-dehibe ny jono horita ho fivelomana lehibe eo amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ity vondrona isan-karazany ity dia afaka nitondra traikefa sy fomba fijery tsy manam-paharoa tamin'ny fifanakalozan-kevitra, nizara tantara sy fomba fiasa amin'ny fitantanana ny jono notarihan'ny vondrom-piarahamonina avy amin'ny sehatra samihafa. Izany dia niantoka ny fifanakalozan-kevitra betsaka momba ny anjara andraikitry ny vondrom-piarahamonina sy ny andrim-panjakana eo an-tanàna amin'ny fitantanana ny jono eo an-toerana.
Ny zava-dehibe tamin'ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity dia ireo traikefa azon'ny fikambanana LINI sy Forkani nozaraina avy amin'ny diany nanohanana ireo vondrom-piarahamonina handray anjara amin'ny fanaraha-maso ny jono horita.
Nandritra ny folo volana farany, niasa tao amin'ny vondrom-piarahamonina Popisi ao amin'ny vondronosy Bangai ny LINI , nampiditra mpanjono sy mpividy tamin'ny fifanakalozan - kevitra momba ny fanatsarana ny faharetan'ny jono horita. Ary ao amin'ny nosy Darawa, tanàna kely izay miankina tanteraka amin'ny fanjonoana horita sy ny fiompiana ahidrano , niara-niasa tamin'ireo mpividy eo an - toerana, mpanjono ary mpitarika eo an-toerana i Forkani, nampivelatra ny fahaiza-manao amin'ny fanaraha-maso ny jono ary nanomboka fifanakalozan-kevitra momba ny hetsika fitantanana mety hataon'ireo mpanjono eo an-toerana. Tafiditra tao anatin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra ny fitsidihana toerana tao Darawa, izay nanome fahafahana hianatra mivantana ho an'ireo mpandray anjara amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny alàlan'ny fifandraisana amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina, ary koa ny fahafahana hanorina ny traikefany amin'ny fanaraha-maso ny jono.
Araka ny hitantsika tamin'ny alalan'ny traikefa tamin'ny fanohanana ny fifanakalozam-piarahamonina sy ny fianarana any amin'ireo firenena amorontsiraka manerana ny Ranomasimbe Indianina andrefana, ireo sehatra mpanjono ireo dia afaka mitana anjara toerana lehibe amin'ny famporisihana ny fianarana sy ny asa ary koa ny fananganana ny fifandraisana fototra izay ahafahan'ny tambajotra nasionaly miroborobo.
Fantaro bebe kokoa momba ny asanay manohana ireo mpiara-miasa.





