Faly ny Blue Ventures manambara - miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminay ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny Biraon'ny Programa WWF Madagasikara any amin'ny Ranomasimbe Indiana Andrefana ary ny Fanadihadiana Jeolojika Amerikana - ny famoahana lahatsoratra iray izay mampitaha sy mandrefy ny fahaverezan'ny honko eto Madagasikara, ary koa ny toetran'ny honko any amin'ny toerana fiarovana efatra lehibe.
Amin'ny alalan'ny angon-drakitra nomen'ny US Geological Survey, ny asantsika dia manasongadina ny tahan'ny fahaverezan'ny ala honko eto Madagasikara. Teo anelanelan'ny taona 1990 sy 2010, noho ny anton'ny olombelona sy ny voajanahary, dia very ny 21%-n'ny ala honko ao amin'ny nosy – velarantany mitovy habe amin'ny kianja filalaovana baolina kitra 80,000.
Tena ilaina ny fahafantarana ny tahan'ny fahaverezan'ny tontolo iainana nasionaly mba hahafahana mamolavola ny politika nasionaly, indrindra raha jerena ny Fifanarahana tany Paris . Mitahiry karbônina be dia be ny honko, indrindra ao anatin'ireo fasika manankarena organika ao aminy. Rehefa simba ny honko, dia betsaka amin'io karbônina io no avoaka eny amin'ny atmosfera, ka mandray anjara amin'ny fiakaran'ny maripana manerantany. Ny tahan'ny fahaverezan'ny honko avo lenta voalaza ato amin'ity lahatsoratra ity dia manohana ny fampidirana ny honko amin'ireo hetsika nasionaly momba ny fampihenana ny fiovan'ny toetr'andro.
Saingy ny ala honko dia tsy zava-dehibe fotsiny amin'ny fanalefahana ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny sehatra manerantany sy nasionaly. Mamelona ny fiveloman’ny mponina amorontsiraka an’aliny eto Madagasikara ny ala honko. Fanampin'izany, noho ny anjara asany amin'ny fiarovana ny morontsiraka, dia zava-dehibe ihany koa izy ireo amin'ny fampifanarahana ny fiovan'ny toetr'andro eo amin'ny sehatra eo an-toerana. Raha ny mponina amoron-tsiraka no matetika no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fandripahana ala honko, dia izy ireo ihany koa no mamoy be indrindra amin'izany faharavana izany miaraka amin'ny fahaverezan'ny entana sy serivisy. Ny mponina amorontsiraka no lakilen’ny fiatrehana ny fandripahana ala honko.
Ny famakafakana eo an-toerana ato amin'ity taratasy ity dia ahafahan'ny ONG sy ny hetsika ataon'ny governemanta mba hamaritana ireo faritra misy taham-pahafatesana be, izay tena ilain'ny fokonolona ny fanampiana. Vahaolana pragmatika izay tsy vitan'ny hoe mampiato ny fahaverezan'ny ala honko fa manohitra ihany koa ny sandan'ny fahafaha-manao eo an-toerana mifandray amin'ny famerana ny fandripahana ala honko dia tena ilaina tokoa.
Amin'ny alalan'ny fandaharan'asa Blue Forests , miara-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka eo an-toerana ny Blue Ventures mba hanaporofoana ny fahafahan'ny fampiasana ny karbônina voatahiry ao anaty ala honko mba hampiroboroboana ny fitantanana maharitra ny ala honko. Manana lanja eo amin'ny tsena iraisam-pirenena io karbônina io. Raha azo tanterahina sy afindra amin'ireo olona izay miankina amin'ny fitrandrahana ala honko io lanja io, dia mety hamporisika sy hamatsy vola ny fitantanana sy famerenana amin'ny laoniny ny ala honko tarihin'ny eo an-toerana io tombontsoa io. Noho izany, misoroka ny fahaverezan'ireo tontolo iainana sarobidy ireo ary miantoka ny faharetan'ny fivelomana amorontsiraka mandritra ny fotoana maharitra.
Vakio ny lahatsoratra feno: Ny Honko eto Madagasikara: Fandrefesana ny Dinamika manerana ny firenena sy ny tontolo iainana manokana
Fantaro bebe kokoa momba ny fandaharan'asa Blue Forests anay





