Nankalaza ny fisokafana indray ny fanakatonana haran-dranomasina voalohany natao tao amin'ny firenena mikendry ny fanjonoana horita ireo mpanjono sy vehivavy any avaratr'i Mozambika. Ireo toeram-piarovana, izay miasa amin'ny alàlan'ny fanakatonana ampahany kely amin'ny faritry ny haran-dranomasina ao amin'ny tanàna iray amin'ny fanjonoana horita mandritra ny volana vitsivitsy, dia voaporofo fa fomba mahomby hampitomboana ny fanjonoana sy ny fidiram-bola eo amin'ireo vondrom-piarahamonina mpanjono amorontsiraka eto Madagasikara.
Nahazo aingam-panahy avy amin'ny fitsidihan'ny vondrom-piarahamonina teto Madagasikara tamin'ny taon-dasa ary nanamarika ny fara tampon'ny asa roa taona nataon'ny AMA (fikambanana Mozambika momba ny tontolo iainana) sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Blue Ventures ao amin'ny Tetikasa Our Sea Our Life , ity fanokafana indray ny valan-javaboary ity dia andro manan-danja ho an'ny tetikasa sy ny vondrom-piarahamonina mpanjono izay nitantana sy nampihatra ity fanakatonana jono manan-tantara ity.
Tamin'ny 8 martsa 2016 tao Quiwia, any amin'ny morontsiraka avaratr'i Mozambika, dia nosokafan'ny mponina indray ny velaran-tany mirefy 130 hektara, faritra fanjonoana izay nakatona tamin'ny Septambra 2015. Tamin'ny faran'ny andro dia nisy orita 350kg nilatsaka – mitovy amin'ny a fe-potoana fanjonoana mahazatra 15 andro.
Faly ny Blue Ventures manohana ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny tetikasa Our Sea Our Life amin'ny alàlan'ny fanampiana ara-teknika amin'ny fanaraha-maso ny jono ifarimbonana, indrindra fa ny fampiasana finday hanaraha-maso ny fipetrahan'ny hazan-dranomasina.
Vakio bebe kokoa momba ny fanokafana ao amin'ny bilaogin'i ZSL
Jereo ity lahatsary fohy momba ny tetikasa Our Sea Our Life ity
Vatsian'ny Vondrona Eoropeana , ny Darwin Initiative ary ny Fondation Ensemble vola ny tetikasa OurSeaOurLife.





