Manoloana ny fahantrana lalina, ny fahaverezan'ny tena manokana ary ny tontolo an-dranomasina izay miova tsy ho voafehiny…
Mipetraka amin’ny lelan’antsy i Kokoly.
Sarimihetsika fanadihadiana fohy ny Kokoly , novokarin'ny Blue Ventures, ary tohanan'ny Stories of Change: tetikasan'ny Sundance Institute , ary tohanan'ny Skoll Foundation.
Manome topimaso momba ny fiainan'i Ramatoa Kokoly , mpanjono Vezo avy any atsimo andrefan'i Madagasikara, izy io, rehefa manao ny asany andavanandro ao anaty rano amorontsiraka sy ny manodidina akaikin'ny tanàna niaviany ao Lamboara.
Amin'ny alalan'ny tenin'i Madame Kokoly, sy ny an'ny vehivavy hafa ao amin'ny fiaraha-monina misy azy, dia mahazo vinavina momba ny loza mitatao ho an'ny Vezo ny fanjonoana tafahoatra sy ny fanimbana ny toeram-ponenany ary miaina ny zava-misy iainan'izy ireo isan'andro mba ho velona.
Manasongadina ireo olana misy fiantraikany amin'ny jono madinika manerana ny tropika i Kokoly ary mampiseho ny filàna maika ny asan'ny Blue Ventures. Ny tena zava-dehibe dia ny hanamafisana ny feon'ireo olona voahilikilika izay miaina eo amin'ny laharana voalohany amin'ny fahasimban'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana ity sarimihetsika ity.
Jereo maimaim-poana ny sarimihetsika ao amin'ny kokolyfilm.com





