Ireo mpanjono madinika manerana an'i Madagasikara dia nanambara famaritana amin'ny teny malagasy vaovao momba ny teny fototra iray ampiasaina hiresahana momba ny fiarovana an-dranomasina manerana izao tontolo izao.
Ny teny vaovao – izay efa neken'ny Akademia Malagasy, andrim-panjakana tompon'andraikitra amin'ny fiteny ao amin'ny firenena – dia nambaran'ny tambajotra MIHARI izay misolo tena ireo vondrom-piarahamonina mpanjono maro ao amin'ny firenena.
Ny teny anglisy hoe 'faritra an-dranomasina tantanin'ny mponina eo an-toerana' (LMMA) dia ampiasaina maneran-tany mba hamaritana ireo faritra an-dranomasina tantanin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka mba hiarovana ny jono sy hiarovana ny zavamananaina an-dranomasina. ' Lamina enti-Mitantanana ny Morontsiraka sy An-dranomasina ' no dikan-teny Malagasy vaovao amin'ilay teny, ary noforonina mba hampidirana ireo mpanjono mitantana ireo faritra ireo, ary mba hanomezana fankatoavana nasionaly ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'ny jono madinika amin'ny fiveloman'ny firenena.
Na dia mbola mitazona ny fanafohezana aza, ny fandikana vaovao ny LMMA dia tsy ara-bakiteny an'io foto-kevitra eken'ny maro io. Ny dikanteny Malagasy dia manondro ny 'drafitra fitantanana ny faritra an-dranomasina sy amorontsiraka' fa tsy ny fitantanana eo an-toerana ny faritra an-dranomasina.
Noforonin'ny Blue Ventures ity tambajotra ity ary efa nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny diany mankany amin'ny fizakan-tena ara-dalàna feno amin'ny maha-sehatra fiarahamonim-pirenena misolo tena ny tambajotra nasionalin'ny LMMA eto Madagasikara.
Fantaro bebe kokoa momba ny tambajotra MIHARI
Fantaro bebe kokoa ny dian'i MIHARI ho amin'ny fahaleovantena





