Ao anatin'ny fankalazana Tsingerintaona fahafolo an'i Safidy, navoaka ny tranokalam-pahitana vaovao hanehoana ny dia mampitolagaga ny fampidirana ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny fiaraha-monina amin'ny asa fiarovana an-dranomasina.
Folo taona lasa izay dia vondrona mpiaro an-dranomasina vao teraka izahay izay nisampana tamin-kerim-po hiasa amin'ny fahasalaman'ny vondrom-piarahamonina miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-pahasalamana hajaina. Androany dia mirehareha izahay fa fikambanana PHE izay mijoro amin'ny zon'ny tsirairay hisafidy malalaka ny isa sy ny elanelan'ny fahaterahany amin'ny alalan'ny safidy fanabeazana aizana.
Fantaro Safidy: Fahalalahana hisafidy ho anao.
Tamin'ny Fihaonamben'ny Fandrindrana Fianakaviana tany Londres (Jolay 2017) dia nanana tombontsoa izahay nanambara ny fanoloran-tena fatra-paniry laza hampitombo ny fidirana amin'ny tolotra fandrindram-pianakaviana ho an'ny olona 600,000 monina any amin'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka sarotra tratrarina ara-jeografika amin'ny taona 2020.
Miaraha aminay mandritra ny folo taona manaraka amin'ity asa lehibe ity.