Niteny tao amin'ny TEDxDili tamin'ny Jolay 2017 i Jenny House , mpiandraikitra ny fiarovana ny tontolo iainana ao Timor-Leste, ary azo jerena an-tserasera izao ny lahateniny.
Nandritra ny lahateniny dia nizara ny zavatra niainany tamin'ny fiainana sy ny fiasana tao amin'ny Nosy Ataúro mahafinaritra i Jenny, izay nanampiany tamin'ny fanofanana ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo iraisam-pirenena mba hanangona sy hampiasa angon-drakitra tena ilaina amin'ny fitantanana ity toerana mafana misy zavamananaina ity, ary nanohana ireo vondrom-piarahamonina mba hampihatra lalàna manan-kery momba ny fomba amam-panao mba hamoronana faritra an-dranomasina tantanin'ny eo an-toerana izay hanampy ity nosy ity handroso mankany amin'ny hoavy maharitra.
Vakio ny momba ny fandaharan'asa fanaraha-maso ny ahidrano an-dranomasina ataon'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny Nosy Ataúro.





