Ao amin'ny sarimihetsika vaovao ho an'ny Beautiful News , i Gilde Tahindraza, Tale Jeneralin'ny Blue Ventures ao amin'ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara, dia mamaritra ny asany amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka mba hahafahan'izy ireo mitantana ny harena an-dranomasina sy miaro ny tontolo iainana izay iankinan'izy ireo.
Jereo ny sarimihetsika
Fantaro ny fomba niarahan'i Gilde niasa tamin'ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ny Faritra An-dranomasina Tantanan'ny Eo An-toerana ao Velondriake mba hanitarana ny tahirin-dranomasina ao aminy.





