Amin'ity taona ity Andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasamihafana biolojika, dia mankalaza ny hetsika vao haingana nataon'ny firenena am-polony manatsara ny zo sy ny anjara asa lehibe ananan'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka sy ireo mpanjono madinika amin'ny fitantanana sy fiarovana ny ranomasina maneran-tany.
Tao anatin'ny fanambarana manan-tantara tamin'ny fivoriana fahafito nataon'ny Fikambanan'ny Firenena Afrikana, Karaiba ary Pasifika (OACPS), dia nanaiky ny solontenan'ny minisitra miisa 79 fa "hanohana ny fanondroana sy ny fankatoavana mazava ny anjara asan'ny mpanjono madinika sy ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka, hiaro ny zony sy ny fananany , ary hanome laharam-pahamehana ny fitantanana sy ny rafitra fitantanana tarihin'ny eo an-toerana ao amin'ny Rafitra Momba ny Zavamananaina Aorian'ny 2020 ho avy ".
Drafitra iray hiatrehana ny hamehana amin'ny fandringanana ireo zavamananaina sy biby ity Rafitra ity ary hiarovana ny 30 isan-jaton'ny tany sy ranomasimbe eran-tany amin'ny taona 2030 izay antenaina ho eken'ny governemanta amin'ny faramparan'ity taona ity.
Farafahakeliny 42 isan-jaton'ny tany rehetra heverina fa mbola ao anatin'ny toe-javatra ara-tontolo iainana tsara no eo ambany fitantanan'ny vahoaka tompon-tany sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, izay ekena ho mpiambina tena ilaina ny zavamananaina sisa tavela eto amin'izao tontolo izao.
"Dingana lehibe mankany amin'ny fiarovana ny zon'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka ny fanambarana OACPS , ary manaiky ny anjara toerana lehibe raisin'ny mpanjono madinika sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'ny fiarovana ny zavamananaina sy ny fitantanana maharitra ny taniny sy ny faritaniny," hoy i Annie Tourette, Lehiben'ny Advocacy ao amin'ny Blue Ventures.
Nanao toky ihany koa ireo nanao sonia fa hanatsara ny tombam-bidin'ny jono madinika, ary hampitombo ny mangarahara sy ny fiaraha-miasa amin'ny ezaka hiadiana amin'ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafehin'ny lalàna ary tsy misy tatitra − loza mitatao ho an'ny jono amorontsiraka any amin'ny firenena maro iasan'ny Blue Ventures.
“Fanoloran-tena mafy avy amin'ireo fanjakana ireo ny hanatsarana ny mangarahara sy ny fiarovana ny mpanjono madinika sy ny zavamananaina,” hoy i Tourette.
Maneho ihany koa ny hevitr'i Blue Ventures momba ny filàna hametrahana ireo vondrom-piarahamonina ho ivon'ny tanjona 30 amin'ny 30 naroson'ny Firenena Mikambana ity fanambarana ity.
Ny Vazimba teratany sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana dia voaporofo fa mpiandraikitra ny natiora tsara kokoa noho ny governemanta, ary ny ezaka eran-tany voarakitra ao amin'ny Framework dia tsy hahomby raha tsy amin'ny fandraisany anjara feno sy mahomby.
Maro amin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka tohanan'ny Blue Ventures no miantehitra amin'ny zavamananaina an-dranomasina ho an'ny sakafo sy ny asa. Ny asanay dia niorina tamin'ny finoana fa ny fomba tsara indrindra hiarovana ny natiora dia ny fiarovana ny zon'ireo olona akaiky azy indrindra.
“Raha tafiditra tanteraka amin’ny drafitra momba ny fiarovana ireo izay miankina indrindra amin’ny faritany sy ny tany onenany, dia afaka miara-miaina na aiza na aiza ny olona sy ny zavaboary”, hoy i Tourette.
"Ny Vazimba teratany sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana dia nandray anjara kely indrindra tamin'ny krizy momba ny zavamananaina, ary hijaly indrindra amin'izany," hoy izy.
Na izany aza, ireo vondrona ireo dia tsy manana toerana ofisialy eo amin'ny latabatra fifampiraharahana iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao. Noho izy ireo ekena ho anisan'ny Fifanarahana momba ny Zavamananaina (CBD), dia mahazo manatrika ny fifampiraharahana amin'ny maha-mpanara-maso azy ireo ihany izy ireo, ary tsy manana zo hifidy.
Namoaka taratasy misokatra ny Blue Ventures tamin'ny volana Martsa izay miantso ireo mpanao sonia ny CBD mba hanaiky sy hanaja ny zon'ny Vahoaka Teratany sy ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'ny tanjona 30 amin'ny 30 alohan'ny hihaonan'izy ireo amin'ny COP15 amin'ny Oktobra mba hamaranana ny drafitra famonjena ny natiora.
Tombanan'ny Firenena Mikambana fa karazana biby sy zavamaniry 1 tapitrisa no ho lany tamingana ankehitriny, ary 75 isan-jaton'ny tany sy ny roa ampahatelon'ny tontolo iainana an-dranomasina no niova be noho ny ataon'ny olombelona.
Ny fanaovana antoka fa ny vondrom-piarahamonina no atao lohalaharana rehefa mandray fanapahan-kevitra momba ny fampitsaharana ny fahaverezan'ny zavamananaina sy ny fandripahana ny tontolo iainana dia miha maika.
"Ity paikady ity dia fanalahidin'ny fiarovana ny hoavy ho an'ny fiainana rehetra eto an-tany," hoy i Tourette.





