Nankalazaina tao amin'ny tanànan'i Ampondrabe Mahamanina any avaratra andrefan'i Madagasikara ny lanjan'ny ala honko, raha niara-nivory nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ala ireo vondrom-piarahamonina teo an-toerana, ireo mpianatra ary ireo solontenan'ny sehatra ho an'ny daholobe sy tsy miankina.
Ity fankalazana roa andro tamin’ny volana martsa ity no sambany nisy hetsika ofisialy natao teny Ampondrabe Mahamanina, voninahitra lehibe ho an’ny mpiara-belona, ary nanao ezaka lehibe ny fikambanam-behivavy sy ny loholon’ny fokontany mba hisian’ny fahombiazana.
Nanomboka tamin'ny lahateny nataon'ny Lehiben'ny Tanàna, Bienvenue Zafindrasilivonona avy amin'ny Blue Ventures , ary ny Lehiben'ny Tontolo Iainana, ny Ekolojia ary ny Ala ao amin'ny distrikan'i Ambanja ny hetsika.
Nasongadin'ireo mpandahateny rehetra ny maha-zava-dehibe ny ala eo amin'ny fiainana andavanandron'ny olona any avaratra andrefan'i Madagasikara. Ny fiveloman'ireo vondrom-piarahamonina toa an'i Ampondrabe Mahamanina dia matetika miankina betsaka amin'ny loharanon-karena avy amin'ny ala toy ny jono avy amin'ny honko, ary ny ravin'ny hazo palmie mpandeha ( Ravenala madagascariensis).
Tena ilaina ny ala ho loharanon-kazo ho an'ny fanorenana sy ny solika, saingy amin'ny tranga maro dia tsy maharitra ny filàn'ny vondrom-piarahamonina. Tao amin'ny lahateniny, i Bienvenue Zafindrasilivonona dia niresaka momba ny paikadin'ny Blue Ventures amin'ny famolavolana hazo hafa amin'ny alàlan'ny famerenana amin'ny laoniny ny karazana hazo sasany mba hampitomboana ny famatsiana hazo sy hampihenana ny tsindry amin'ny ala honko.
Manamora ny ezaka fambolen-kazo honko ihany koa ny Blue Ventures, satria ny tontolo iainana honko dia manome tombony maro ho an'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka , anisan'izany ny fiarovana ny morontsiraka amin'ny tafio-drivotra, ny fandrindrana ny morontsiraka, ny fanivanana ny rano, ary ny fanohanana ny jono tena ilaina, anisan'izany ny makamba sy ny foza, izay tena ilaina amin'ny fivelomana sy ny fandriampahalemana ara-tsakafo.
Mitahiry karbônina be dia be ao amin'ny biomass sy ny sediments-ny ihany koa ny tontolo iainana honko . Ny fitahirizana an'io karbônina io dia tsy vitan'ny hoe manampy amin'ny fampihenana ny fiovan'ny toetr'andro fotsiny, fa manana lanja ihany koa eo amin'ny tsena karbônina iraisam-pirenena, lanja izay azo afindra any amin'ireo vondrom-piarahamonina miankina amin'ny tontolo iainana honko.
Nisongadina tamin’ny lahateny maromaro ihany koa ny hasarobidin’ny hazo eny amin’ny tehezan-tendrombohitra, satria ny fandripahana ala any amin’ireo faritra ireo dia mitarika amin’ny faharavan’ny tany, ny fihotsahan’ny tany, ny tanimbary misy fotaka, ary ny tondra-drano matetika kokoa ny tanàna.
Rehefa vita ny lahateny dia niara-namboly hazo ireo mpanatrika miisa 177 – anisan'izany ny manampahefana eo an-toerana, fikambanan'ny vehivavy maromaro, ary ankizy mpianatra. Hazo akasia telonjato ( Acacia mangium ) no nambolena tao amin'ny faritra natokana ho an'ny kitay hafa, ary karazana honko 4 850 ( Ceriops tagal 3878 sy Rhizophora mucronata 972 ) no nambolena tao amin'ny faritra izay efa nokapaina ny honko mba hamokarana arina.
Ny tany nohavaozina dia hokarakarain'ny tompon-tany sy/na vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'izao fotoana izao, miaraka amin'ny fanaraha-maso tsy tapaka ataon'ny ekipa teknikan'ny ala manga Blue Ventures mba hahazoana antoka fa hitombo ny hazo ary ho loharanon-karena lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina sy toeram-ponenana ho an'ny bibidia teratany.
Contact: Hanjara Rabemanantsoa , mpandrindra ny ala manga
Fantaro bebe kokoa momba ny asanay manohana ny fitantanana ny ala honko tarihin'ny vondrom-piarahamonina





