Nanambara ny MIHARI, tambajotran’ny faritra an-dranomasina tantanan’i Madagasikara (LMMA), fa manao ny dingana farany amin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fahaleovantenany ara-dalàna. Dingana lehibe mankany amin'ny fizakan-tena izany, ahafahan'ny tambajotra hampitombo ny fahefany amin'ny maha-feon'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka manerana ny firenena.
Ny dingan'ny tambajotra amin'ny fametrahana ny sata vaovao dia dingana miompana amin'ny fiarovana an-dranomasina tarihin'ny vondrom-piarahamonina eto Madagasikara, fanehoana mahery vaika ny fahombiazan'ny modely mifototra amin'ny fiaraha-monina amin'ny fiaraha-miasa amin'ny fiarovana an-dranomasina any amin'ny faritra andrefan'ny Ranomasimbe Indianina.
Niasa mafy nandritra ny valo taona farany i MIHARI mba hametrahana fototra mafy orina amin’ny fankatoavana ara-dalàna ny LMMA eto amin’ny firenena, ahafahan’ireo mpikambana ao aminy hampandroso ny ezaka ataony amin’ny fiarovana ny zony amin’ny fitantanana an-dranomasina. Ity dingana farany mankany amin'ny fahaleovantena ara-dalàna ity, dia hamela ny MIHARI handroso amin'ny tanjon'izy ireo. Ny tambajotra mizaka tena dia mariky ny fisian'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka miandraikitra ny zon'izy ireo, izay anisan'ny tanjona nanorenana ny tambajotra tamin'ny nananganana azy.
MIHARI dia fanafohezana ny MI tantana HA rena sy R anomasina avy eny I fotony, izay midika hoe 'fitantanana ny harena an-dranomasina eo an-toerana'. Ity tambajotra ity dia mampivondrona ireo fikambanana tarihin'ireo mpanjono madinika ary novolavolain'ny Blue Ventures - mpikambana mpanorina ny tambajotra. Hatramin'ny nanombohany tamin'ny taona 2015, nitombo ny MIHARI ka mahatratra vondrom-piarahamonina mpanjono maherin'ny 219, LMMA maherin'ny 80 ary manana mpiara-miombon'antoka ONG mpanohana miisa 25.
Ny Blue Ventures dia faly nandray anjara tamin'ny fanomezana fanohanana ara-teknika ny tambajotra hatramin'izao ary manantena ny hifindra amin'ny fiaraha-miasa vaovao miaraka amin'ny MIHARI izahay ary manohana ny ezaka ataony amin'ny fampiroboroboana ny fanavaozana ny politika hiarovana ny zon'ny mpanjono madinika fanamafisana ny satan’ny LMMA eto Madagasikara.
Fantaro bebe kokoa momba ny tambajotra MIHARI
Fantaro ny fomba nanohanan'ny tambajotra MIHARI ireo mpanjono madinika eto Madagasikara mba handika teny fototra ampiasaina hiresahana momba ny fiarovana ny ranomasina.





