Endri-javatra vaovao amin'ny tranonkala avy amin'ny The Skoll Foundation, mitondra ny lohateny hoe "Vahaolana ho an'ny Fiovan'ny Toetrandro" , dia mikaroka ireo maodely isan-karazany ampiasain'ireo mpandraharaha sosialy valo ao aminy, anisan'izany ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Blue Ventures, Alasdair Harris.
Nahazo ny Loka Skoll ho an'ny Fandraharahana Ara-tsosialy i Harris tamin'ny taona 2015 noho ny asan'ny Blue Ventures nanohana ireo vondrom-piarahamonina teto Madagasikara tamin'ny fananganana Faritra An-dranomasina Tantanan'ny Eo An-toerana (LMMA).
Ny Toko faha-6 amin'ny endri-javatra vaovao an'ny The Skoll Foundation amin'ny tranonkala dia mifantoka amin'ny fitomboan'ny hetsika LMMA eto Madagasikara, sy ny fomba fiasa feno an'ny Blue Ventures amin'ny fampihenana ny fahalemen'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka vokatry ny fiovan'ny toetr'andro.
Vakio ny Toko faha-6 amin'ny Vahaolana ho an'ny Fiovan'ny Toetrandro: Novelomina sy Nahatanty: Faritra An-dranomasina Tantanan'ny Eo An-toerana ao Madagasikara
Jereo eto ambany ny sarimihetsika fohy an'ny The Skoll Foundation momba ny Blue Ventures.





